Vitanao Ve ? Vitanao ve ny tsy mitsahatra misaina rehefa very hevitra ny rehetra manodidina, Ka hianao no soketainy ho mahaveri-hevitra azy ? Vitanao ve ny mbola mahatoky tena rehefa tsy mino anao intsony ny olona rehetra, Fa tsy hodian-tsy hita kosa izany tsy finoany izany ? Vitanao ve ny maharitra miandry ka tsy reraka na sasatra eo am-piandrasana eo, Na hosoran'olom-potaka ka tsy manosi-potak'olona ? Vitanao ve ny hankahalain'olona kanefa tsy mivari-lavo mankahala azy koa, Ary tsy manamboni-tena, na koa mihambo ho hendry ? Vitanao ve ny mamolavola nofy, ka tsy baikoany hianao fa mibaiko azy kosa? Na mandalina eritreritra, fa tsy mihanina amin'izany ? Vitanao ve ny miatrika 'reo mpisandoka, dia i Rafahombiazana io sy koa Rafahavoazana, Ka fihetsika mitovy no samy hasetry azy ireo ? Vitanao ve ny mandre ny zava-marina izay ninoanao tanteraka sy naloaky ny vavanao, Ahodin-jiolahy ho fandrika hamitahana ny bado ? Vitanao ve ny mijery ireny zavatra nanokananao fiainana, torotoro sy voapotika, Ka manamboatra azy rava, amin'ny fiasana konka ? Vitanao ve ny manambatra ho toko iray ny harinao rehetra hatramin'ny niainanao, Ka hatao fanambin-kilalao indray mipoaka izy ireo ? Vitanao ve, raha resy amin'ny fanamby, ny mamerina amboalohany izay vitanao rehetra, Ka ts'isy sento na toloko momba 'zay fahavoazanao ? Vitanao ve ny manery 'zato taolana ombān'ireto nofonao ary koa ny hozatrao, Hanefa izay anjaranao rehefa drodroka izy ireo ? Vitanao ve ny manohy hatrany foana rehefa ts'isy izay tavela ao anatinao ao Afa-tsy Herin-tsaina mihiaka : " 'Ndeha hanohy tsy an-kijanona !" Vitanao ve ny miresaka amin'ny olon-tsotra ka mitāna ny hajanao ary koa ny hasinao, Na miaraka amin'ny Manjaka ka mijanona ho olon-tsotra ? Vitanao ve ny tsy mety ratrain'olona, na fahavalo mankahala na sakaiza tena tia, Na manome hasina ny rehetra fa ts'isy ny homena tafahoatra ? Vitanao ve ny mameno tena feno ilay iray minitra kely tsy mba azo ivalozana Amin'halaviran-dālana ampy sekondra enim-polo ? Raha vitanao izany, dia anao tokoa tokoa ny Tany Manontolo sy 'zay rehetra eo aminy Ary, mihoatra noho izany, dia ho Olombelona tokoa hianao re ry Sombin'aiko ! Rudyard KIPLING (Mpanoratra) Rajaona ANDRIAMANANJARA (Mpandika-teny)