MALAGASY MANKANY ... Eny, ho'aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana ! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana ! Izato fihetsiketsikao e, izato fomba amam-piteny ! Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny ! Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha : Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko Ka nanajanaja hoe : "mandehana, sombinaiko" ! Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga, Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga Izay nivimbina entan-kely---toa tsy zakany sahady Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana aza fady ! Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra ... Eny, hoy izy velon-tsento : mafy izany ka tsy toha ... Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha ! ... Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody : Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody, Irony ilay mitetin-doko sy mibory volo irony Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony ! Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampitantana : Ankizilahy sy ankizivavy, amin'ny tena fisandratrana, Miova tsy mpivady mihitsy amin'izato fombafombany ... Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombatombany. Nantenain'Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza, Dia nifampikimokimo ..., 'ndeha hiserana, handika ... Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika ! Eny, ho'aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana ! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana ! Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO